4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Satria tia ahy ianao - Henri ratsimbazafy

Izany atao hoe sambatra
dia efa fantatro izao
satria anio dia mitambatra
ny foko sy ny fonao.
Ka n'inona n'inona izany,
raha mbola azoko hatao,
ekeko hatao avy hatrany
SATRIA TIA AHY IANAO.

Ny tongotro roa dia manaiky
hitety izao rehetra izao,
na lavitra izany na akaiky
SATRIA TIA AHY IANAO.

Na sambatra isika na ory,
na mety na tsia ny atao,
tsy misy ahiako akory
SATRIA TIA AHY IANAO.

Ialako ny fianakaviana,
ny ankizy niaraha-nilalao,
afoiko ny tany niaviana
SATRIA TIA AHY IANAO.

Partager satria tia ahy ianao

Commenter satria tia ahy ianao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Henri ratsimbazafy

Suite